Murielle no anarako

Miarahaba antsika rehetra, Murielle no anarako.

Cipaganti tanàna kely aty Indoneziana no misy ahy .Manohy ny fianarana nandritra ny enim- bolana aho. Avo toerana no misy an’ny Cipaganti, tsy mijaly loatra amin’ny hafanana, , mahatratra 90% ny hamandoana, mbola ao anatin’ny vanim-potoana ny orana izao. Betsaka ny ala ary maintso mavana avokoa ny manodidina. Ahitana ny fambolena dite sy labu ihany koa .Mahafinaritra ny mponina aty , ny ankizy matetika no tonga ao amin’ny “trano maitso” mba mangataka fandokoana . Ny foto-sakafo aty dia ny vary, menaka sy ny legioma (indrindra indrindra, satria ny fikarohana fiantsonan’ny ny zavamaniry ity toerana ity), manoro hevitra anareo aho mba hihinana ny sate ayam any Bayangbong raha manam-potoana!

Fikarohana momba ny “loris” karazana gidro kely mandritra ny enim-bolana miaraka amin’ny “The Little Fireface Project” Mandalina ary miezaka hanatsara ny fifandraisana amin’ ny faritra voatokana ianarana. ary faritana amin’ny alalan’ny “agroforestier” hita amin’izany ny fambolena (karaoty, laisoa, dite, kafe, labu …) sy ny ala.

Ny dingana voalohany ny tetikasa dia ny hamantatra ireo faritra mila fifandraisana. Rehefa avy mamantatra izany dia manao tetezana kely vita amin’ny hazo . Mandritra ny fotoana maharitra, any aoriana any samy ahazo tombony na ny tantsaha na ny “loris”. Manantena aho fa ho ampiasaina ireo tetezana ireo.
Ny dingana faharoa ny tetikasa mitaky ny fametrahana ny fakan-tsary fandrika akaikin’ny tetezana ho isaina ny fandalovan’ny “loris”. Mamaritra ny fahombiazan’ny ny fampiharana sy ny vokany io.

Mahaliana ahy ny fianarana ny fitambaran’ny ao eo amin’ny sehatry ny fikarohana biolojika sy ny fiarovana ny fampandrosoana maharitra ny tontolo iainana ao anatin’izany ny fanentanana, fiaraha-monina,fandraisana anjara amin’ny tetikasa sy ny famoronana ny fidiram-bola maharitra ho azy ireo . Manamafy sy mahatoky aho fa ny fomba fandaharana sy ny fiarovana ny tontolo iainana no tsara sy mahomby indrindra. Izay no tanjona kendren’ny “The Little Fireface Project” ary izany no mahatonga ahy faly sy liana manana fahafahana miaraka miasa amin’ny ekipa!

Afaka mandray anjara amin’ny asa samy hafa: mampianatra ny ankizy ao amin’ny “Club Alam”, manentana an’ ireo ankizy ampianatra ny fiarovana ny tontolo iainana toy ny ao Bandung (sarimihetsika , zava- kanto, fanentanana ny mpanatrika amin’ny alalan’ny fizara taratasy fametaka.

Ny “agroforestier” dia fombatetik’asa iray izay tiako ampitaina ao anatin’ny “master” izay ataoko. Ahafahana mampianatra mampiasa ny fitaovana ny fakan-tsary “radiometrie” ,fakana sary fandrika, hanampy ny mpianatra hafa an-tsitrapo ,amin’ny fahaizako mampiasa ny ”logiciels” QGIS sy R.

Ho an’ireo tia zavaboary! afaka mahita bibilava, sahona , “civets”, hala, bibikely, ary mazava ho izany “lories”! raha te-hanorina fialofana ho an’ny ramanavy! Betsaka no azo atao!

Aza misalasala ny mitsidika anay!

Teny vitsivitsy sy voambolana amin’ny andro voalohany aty Indonezia, dia tsy misy fialàna azony!

Miarahaba: selamat pagi / Misaotra Teri makashi / Tsy misy fisaorany: sama sama / Manao ahoana ny fahasalamana? Apa Kabar? / Salama tsara: baik baik / Tsy miteny indonezianina: Saya tidah bahasan Indonezia / avy any Frantsa aho: Saya Dari Prancis / no anarako …: Nama saya …. / Te-handeha ho any …: Saya Mau pergi ke …
Ary farany, tena zava-dehibe, Te-hihinana: saya Mau makan!

  • Murielle
  • Volunteer